• Malagasy

     Malagasy

     Tonga soa tompoko

  •  

    Ny lalan’ny famonjena

     

     

    NY FAMONJENA DIA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ALALAN'I JESOSY KRISTY, IZAY TIA ANTSIKA ARY TIA NY OLONA REHETRA HAHAZO NY FAMONJENA ,IZANY NO TOKY OMENY.

     

    1. Andriamanitra tia ny olona rehetra

      

     Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

    Jaona 3. 16

     

    Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an'Andraiamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.

    Jaona Voalohany 4. 10

     

    Ary isaka efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika ,Andriamanitra dia fitiavana ; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

    Jaona Voalohany 4. 16

     

    Tahaka ny fiantran'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehovah izay matahotra azy ; fa IZY mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.

    Salamo 103. 13-14

     

    2. NY OLOMBELONA DIA MPANOTA, ARY MIHATAKA AMIN'ANDRIAMANITRA

     

    Araka ny voasoratra hoe : " Tsy misy marina na dia iray akory-aza"

    Romana 3. 10

     

    Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.

    Romana 3. 23

     

    Fa fahafatesana no tambin'ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezan-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

    Romana 6. 23

      

    3-ANDRIAMANITRA DIA NANOME TOKY HO FANAVONTANA ANTSIKA AMINNY ALALAN' I JESOSY KRISTY IZAY NIJALY SY MATY TEO AMIN'NY HAZO FIJALIANA NOHO NY FAHOTANTSIKA OLOMBELONA ARY NITSANGANA TAMIN'NY ANDRO FAHATELO

     

    Izaho no Mpiandry tsara ; ny Mpiandry tsara manolotra ny aina hamonjy ny ondry.

    Jaona 10. 11

     

    Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamini'ny tenany teo ambonin'ny hazo mba ho faty ny amin'ny Ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.

    Petera Voalohany 2. 24

     

    Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany.

    Efesiana 1. 7

     

    Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary NY dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny làlantsika avy isika rehetra ; ary nataon'i JEHOVAH nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

    Isaia 53. 5-6

     

    4- JESOSY NANOLOTRA NY RANY HO FAMELANA NY HELOTSIKA MILA MINO SY MANAIIKY AZY HO MPAMONJY ISIKA MBA AHAZO NY FAMONJENA

     

    Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.

    Asan’ny Apostoly 3. 19

     

    Hoy JESOSY taminy3 Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

    Jaona 14. 6

     

    Izaho no voaloboka, ianareo no sampana. Isay rehetra miray amiko, ary izaho aminy dia mamoa be, fa raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.

    Joana 15. 5

     

    Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana , fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

    Jaona 3. 36

     

    Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho Tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.

    Jaona 1. 12

     

    Mpanota avokoa isika rehetra ary tafasaraka tamin'ny Andriamanitra fa Izy kosa dia tia antsika ary te hihavana amintsika nomeny JESOSY KRISTY ho mpanavotra sy hitondra ny Ota-tsika, mba ho hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra.

     

    Indro atolony anao ny tanany ho raisinao ve?

     

    Indro, efa mitsangana eo ambaravarana aho ka mandondona : raha misy mihaino NY feoko ka mamoha NY varavarana, dia hiditra ao aminy aho ka hiara-misakfao aminy, ary izy amiko.

    Apokalypsy 3. 20

     

    Raha misy manan-tsofona, aoka izy hihaino.

    Apokalypsy 13. 9

     

    AMENA

    Partager via Gmail Yahoo! Blogmarks




    Suivre le flux RSS des articles de cette rubrique